<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>L. Mason</author>
<hymn_number>249</hymn_number>
<title>Tompon'ny lanitra o! Mba tahio FFPM249</title>
<lyrics>[V1]
 Tompon'ny lanitra ô !
 mba tahio
 Izy izay ta-hanatona Anao,
 Ka ta-handray ny batisa anio
 Sady maniry mba ho Zanakao.

[V2]
 Ampifalio ny fony, izay ory,
 Sady miaky ny ota natao
 Ary ny ratsy maniry fongory,
 Ka mba omeo ny aina vaovao.

[V3]
 Izay manaiky hitana ny soa
 Sady mandà ny devoly izao ;
 Aoka hiseho ho mpino tokoa
 Amin'ny fomba sy asa
 vaovao.

[V4]
 Afon'ny lanitra ô ! mba avia,
 Ka ateraho ny fony izao
 Ary tarihonao mba tsy hania
 Fa te-ho sambatra ao Aminao.

[V5]
 Andriamanitra Ray be fitia,
 Taomy ny maro hanatona
 Anao
 Ny Fiangonanao, ho be
 mpitia,
 Ho marobe ny ankohonanao.</lyrics>
</song>